Vatomamy sy sokolà !

Vatomamy sy sokolà ! Tsy ny ankizy irery no mihinana sy tia an’izany. Koa satria fantatry ny vehivavy ao amin’ny sampana Dorkasy loatra izany ka nanolotra izany fanomezana mamy izany  ho an’ny lehilahy rehetra nanatrika ny fanompoampivavahana tamin’ny Alahadin’ny Fianakaviana izy ireo.

Faly mampahafantatra antsika koa izy ireo fa tanteraka soa aman-tsara tamin’ny zoma 19 febroary 2021 teo ny fampianarana soratra masina eo anivon’ny sampana Dorkasy izay nataon’ny Mpitandrina Rakotomanana Tahiry. Izay nitondra ny lohahevitra hoe « Ny vehivavy matahotra an’i Jehovah »

Ny fampianarana dia misy isaky ny telo volana ary miova arak’izay koa ny lohahevitra.