Ny fitandremana / La paroisse

Ny fitandremana

Ny FJKM-Gland Fahasoavana, alavaina hoe Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara – Fitandremana Gland Fahasoavana, dia fitandremana ao amin’ny Synodam-paritany faha-37 (1)-n’ny FJKM (2). Niorina tamin’ny 01 desambra 2007 tao Genève ny fitandremana ary nanatanteraka ny fanompoam-pivavahana voalohany tamin’ny 25 desambra 2007 tao amin’ny Temple de Gland.

Amin’ny maha-fitandremana ao amin’ny FJKM azy dia miorina amin’ny foto-pinoana protestanta araka ny reformasiona ny FJKM-Gland Fahasoavana.

Misy mpiara-mivavaka miisa 129 sy mpandray ny fanasan’ny Tompo miisa 87 eo ho eo (isa azo tamin’ny voalohan’ny taona 2024) eto amin’ny fitandremana.

Indroa isam-bolana ary isaky ny alahady faharoa sy ny alahady fahaefatra ny fotoana fiaraha-mivavaka ary amin’ny teny malagasy (misy teny frantsay ihany koa) sy manaraka ny litorjian’ny FJKM.

Ahitana sampana efatra ao aminy araka ny fanomezam-pahasoavan’ny tsirairay dia ny sampana Sekoly Alahady izay mitaiza ny zaza sy ny ankizy; ny sampana Dorkasymizaita ny vehivavy ary ny Sampana Lehilahy Kristiana, mitaiza ny lehilahy. Ny Sampana Tanora Kristiana, izay mitaiza ny tanora. Manana antoko mpihira miara-miasa aminy koa izy izay manetsiketsika ireo tanora dia ny antoko Mpihira Zarampifaliana

Foto-dalàna eto amin’ny FJKM-Gland Fahasoavana

(1) Ny Synodam-paritany faha-37-n’ny FJKM izay misy Synodam-paritany mampivondrona ireo fitandremana FJKM aty am-pitandranomasina dia natsangana nandritra ny Synoda Lehibe tany Mahajanga tamin’ny volana aogositra 2008. (2) Ny FJKM na Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara no fiangonana protestanta lehibe indrindra ao Madagasikara. Fiangonana reforme calvinista ny FJKM ary mampivondrona mpiara-mivavaka mahatratra 4 000 000 manerana an’i Madagasikara.


La paroisse

La FJKM-Gland Fahasoavana ou Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara – Fitandremana Gland Fahasoavana est une paroisse du Synode No37 (1) de l’Eglise FJKM (2). La paroisse a été créée statutairement le 1 décembre 2007 à Genève. Le premier culte a été officié le 25 décembre 2007. La paroisse est une paroisse de l’Eglise Réformée de Madagascar (la FJKM). Elle compte 129 paroissiens et parmis eux 87 communiants (statistiques début 2024). Elle organise chaque premier, deuxième et quatrième dimanches du mois un culte en langue malgache (et aussi en langue française) selon la liturgie de la FJKM. Elle intègre en son sein les sections Ecole du Dimanche pour la formation des enfants à la foi chrétienne, Dorcas ou Femmes Chrétiennes, Hommes Chrétiens, Jeunes Chrétiens ainsi que la chorale Zaram-pifaliana qui anime les liturgies et motive les jeunes par le chant à la vie chrétienne.

Statuts de la FJKM-Gland Fahasoavana

(1) Le Synode No37 de la FJKM regroupe toutes les paroisses au-delà des frontières de Madagascar. Il a été crée durant le Grand Synode de Majunga en août 2008. (2) L’Eglise FJKM ou Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara est la plus grande eglise protestante à Madagascar. La FJKM est une eglise protestante réformée calviniste et compte près de 4 000 000 de fidèles.