Vaovao SLK – Mey 2026

10 Mey 2026 : Alahadin’ny SLK Foibe

Ho tanterahina ny Alahady 10 Mey ho avy izao ny Alahadin’ny SLK Foibe eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana. Hisy ny Asa Vavolombelona hanamarika izany. Manentana sahady ny mpikambana rehetra ny hiomana ny amin’izany. Hisy ny hetsika fohy iarahana amin’ny Sampana SLK sy fivarotana barquette, enti-manana amin’ny asan’ny Tompo eo anivon’ny Sampana SLK.