AG Sekoly Alahady 8.11.2026, 10 ora sy sasany, Vich
« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. »
« I Korintiana 15:58 »
Ry havana malala ao amin’ny Tompo,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo. Ny sampana sekoly alahady dia faly mampahafantatra antsika fa ny AG dia ho tanterahina ny 8 novembre ho avy izao ao fiangonana Vich manomboka @ 10h30.
Koa manentana antsika rehetra na ny ray aman-dreny na ny mpampianatra ary ny birao mba ho tonga amin’izany fotoan-dehibe izany.
Raha mila fanazavana fanampiny, dia aza misalasala, ry havana, manantona ny birao na ny mpampianatra SA.
Ho an’Ándriamanitra irery ihany ny Voninahitra.
Ny Birao Sekoly Alahady FJKM-Gland Fahasoavana








