Lasy Dorkasy 10 sy 11 Oktobra 2026:
» Fiadanana ho anareo » Jaona 20 : 21a
Araka ny tetiandron’ny Sampana Dorkasy SP37, dia hanatanteraka lasy izy ireo ny sabotsy 10 sy Alahady 11 Oktobra 2026 ho avy izao
Toerana : Sacré Coeur de Liesse Notre Dame
Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny Sabotsy 10 Oktobra
Mifarana ny Alahady 11 Oktobra 2026 amin’ny 4 ora hariva.
Fotoam-bavaka, fampianarana, fifampizarana, fialam-boly sy fandaharan’asa maro samihafa no hatao mandritra izany lasy izany.
Afaka manatrika izany ny vady aman-janaka, ary koa ireo rahavavy mpiray finoana, na tsy ao anatin’ny Sampana Dorkasy aza izy ireo.
Saran-dasy : 20€ isan’olona ho an’ny lehibe sy ny ankizy. Efa tafiditra ao anatin’io avokoa ny sakafo rehetra mandritra ireo roa andro ireo, ary koa ny hofan’ny trano fatoriana.
Miangavy ny biraon’ny Sampana Dorkasy isam-pitandremana mba hifanentana sy hampita ary hifandamina amin’ny fanatrehana izany lasy izany.
Afaka manoratra anarana mivantana any amin’ny Biraon’ny Dorkasy SP37
Iangaviana ny Biraon’ny Sampana Dorkasy isam-pitandremana mba hanangona ny isan’ny olona izay handeha ary hampita izany any amin’ny biraon’ny sampana Dorkasy SP37.
Ny Alahady 20 Septambra 2026 no fara-fisoratana anarana.
Hisy fivoriana tsy ara-potoana izay hatao an-jotra aoriana kely ao, izay hanasana solotena isaky ny Fitandremana hanomezana ny antsipiriany sy ny toromarika rehetra momba izany lasy izany.
Manentana antsika ho tonga maro hanehoana ny fiombonantsika ao amin’ny Tompo ary aza adino ny mitrotro am-bavaka izany fotoana izany mba ho tontosa soa aman-tsara ho voninahitry ny anarany irery ihany.
Fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy irery anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amen!
