Vaovao ny Sampana Sekoly Alahady

1- Tanteraka soa aman-tsara ny fanadinana 2020

Iarahana mahalala ny trangan-javatra ara-pahasalamana niainantsika inty taona inty izay nampiato ny fihaonana mivantana ka anisan’ny voakasik’izany ny fampianarana ny Sampana Sekoly Alahady ny fiangonantsika.

Nisy ny lesona izay tsy afaka nampianarina ny ankizy noho ny tsy fahampian’ny fotoana ka mahafinaritra fa naka fotoana ny foiben’ny Sekoly Alahady nanontany ny mpampianatra isa-mpitandremana ny lesona efa nampianarina ny ankizy sy nanao ny laza adina mifandrify amin’izay.


Notanterahina tamin’ny fomba vao koa ny fanadinana teo anivon’ny fiangonantsika :

  • hoan’ny mpianatra efa manoratra sy mamaky tsara dia nalefa tamin’ny mpianatra tamin’ny alalan’ny tranokala ny laza adina dia naverin’ny mpianatra tamin’ny mpampianatra nyvaliny tamin’ny fotoana efa nifanarahana.
  • Ny mpianatra hafa kosa dia nantsoin’ny mpampianatra tamin’ny finday ka dia namaly eo ny ho eo ny fanontaniana.

Hisaorana be dia be ny mpianatra, ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra nahafahana nanatontosa soa aman-tsara izany fanadinana 2020 izany.

2- Fidirana ofisialy amin’ny taompianarana vaovao

Manomboka amin’ny alahady 11 oktobra 2020 indray ny taompianaran’ny sampana Sekoly Alahady. Izany dia ho tanterahina am-panajana ny fepetra fiarovana amin’ny valan’aretina covid19. Manentana ireo izay maniry hanohy ny fampianarana SA mba hisoratra anarana na koa ireo izay maniry ny ho mpampianatra mba hanantona ny birao ny sampana SA.

3- Fiofanana SAMM manaraka

Ho tanterahina ny Sabotsy 24 Oktobra

4- Fihaonambe SP37 ny Sabotsy 31 Oktobra sy 01 Novambra

Handray anjara hira 2 ny Sampana Sekoly Alahady rehetra amin’io fotoana io ary ho halefa tsy ho ela ny fandaminana sy ny hira ho redonina amin’izany.