Vaovaon’ny Antoko Mpihira Zarampifaliana

“Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hideràko Anao” Salamo 22:22

1- Fifaninana sary famantarana sy hira faneva

Manentana antsika ry havana handray anjara amin’ny fifaninanana sary famantarana (logo) sy hira fanevan’ny Zarampifaliana. Ny fitsipika mifehy izany fifaninanana izany dia azontsika jerena sy raisina any amin’ny Biraon’ny Zarampifaliana.

Ny rohy misy fitsipika dia ireto avy: Hira faneva: https://bit.ly/33IFYAU , Sary famantarana https://bit.ly/32HVZrA 

Ny daty farany handefasana ny sangan’asa dia anio alahady 4 oktobra 2020.
Ho atolotra amin’ny alahadin’ny Zarampifaliana ny vokatr’ireo fifaninanana ireo.

2- Fihaonana isaky ny herinandro

Manatanteraka fihaonana isaky ny herinandro ny Antoko Mpihira Zarampifaliana.
Fandraisam-peo isaky ny mpihira no tanterahina amin’izany.

Ny fihaonana dia isaky ny alahady, amin’ny 9 ora alina, amin’ny zoom
https://zoom.us/j/92027094817

Faly mandray anao izahay ary aza misalasala manatona ireto tompon’andraikitra ireto:
Adiresy Birao: bureauamzp@fjkm-gland.ch, 079 817 30 63

  • Ranaivo RAZAKANIRINA
  • Iony RABEMANANTSOA
  • Clarah ANDRIANJAKA

Ny Antoko Mpihira Zarampifaliana