“ Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko aho; eo amin’ny fiangonana no hiderako Anao ” Salamo 22:22
Tsangam-bato fahafolo taona
Ankalazaina mandritra ity taona 2021 ity ny tsingerintaona niorenan’ny SEFALA (Sekoly Fanomanana Laika) eto anivon’ny Synodamparitany misy antsika.
Notanterahina ny sabotsy 6 febroary 2021 lasa teo tany Paris ny fanompoam-pivavahana nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho izany tsingerintaona izany.
Ny tsangambato faha 10 taona dia fanolorana fitaovana entina mampianatra eo anivon’ny Sekoly. Ireto avy izany:
- Vidéo projecteur
- Ecran projecteur
Misy valopy enti-manohana izany ezaka tsangambato izany natolotra antsika fiangonana. Koa entanina isika ry havana hanatona tsy am-pisalasalana ny Mpitam-bola ho antsika izay maniry handray anjara amin’izany valopy izany.
Fiofanana
Raha ny momba ny fiofanana kosa no resahina dia manentana antsika mpiara-mivavaka izay maniry handray anjara amin’ny fiofanana tanterahin’ny SEFALA Synodamparitany mba hifandray amin’ny Biraompiangonana.
Rakitra fanohanana taona 2021
Tiana ny mampatsiahy antsika fa tanterahintsika ny alahady 7 martsa 2021 izao, any Saint-Julien, ny rakitra faharoa izay entina hanohanana ny SEFALA Synodamparitany mandritra ny taona 2021. Isaorana antsika hatrany ry havana amin’ny fanohanana izany Sekoly izany.