Tetikasa Toeram-pitsaboana FJKM miaraka amin’ny Synodamparitany sy isika FJKM-Gland Fahasoavana

scanner

Nandritra ny fivoriamben’ny Synodamparitany taty Suisse (28-29 oktobra 2023) no nananganana ny Komity Clinique SP37. Io Komity io dia hiara-hiasa amin’ny Synodamparitany sy ny Foibe FJKM entina mahita ny enti-manana amin’ny fananganana Clinique FJKM.

Ny dingana voalohany ho atrehin’ny Komity ankehitriny dia ny fanangonana vola mitentina 10000 EUR izay entina hanaovaozana ny trano ho ampiasaina ho atao Clinique.

Manana anjara manokana amin’izany isika FJKM-Gland Fahasoavana satria amin’ireo mpikambana fito (7) ao anatin’ny Komity dia ny telo (3) amin’izy ireo dia avy aty amin’ny FJKM-Gland.

Marihina fa ny hanentanana ny kristiana tsirairay eo anivon’ny Synodamparitany no ho tanterahin’izany Komity izany.