Teny fisaorana K15

Finoana – Fahasoavana – Fitoriana

Isaorana an’Andriamanitra ry havana fa tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 11 jona 2023 lasa teo ny fanompoam-pivavahana famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taonan’ny fiangonana.

Isaorana ny fiangonana iray manontolo: Ny birao, Ny mpihevi-draharaha, Ny kristiana rehetra, tamin’ny fiaraha-mientana izay nasehontsika nandritra izay herintaona fankalazana izay. Misaotra anareo tamin’ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra natolotrareo: vavaka, fahasoavana, vola, fotoana, hery, tsy ary ho voatanisa avokoa.

Tsara tokoa ireo vokatra azo nandritra izay herintaona izay ary ny hirina dia hitombo ao amintsika tsirairay avy ny Finoana, Fahasoavana ahafahantsika manohy mitory ny Filazantsara aty amin’ny toerana izay nofinidin’Andriamanitra hitoriantsika.

Misaotra manokana ny komity sy ny fianakaviany rehetra tamin’ny fitarihina sy ny fanentanana tamin’izany fankalazana izany.

Araka ny fanapahan-kevitry ny komity dia ny ambin’ny vola voaangona tamin’iny fotoana iny dia atolotra feno ho an’ny fiangonana ho fikarakarana ny fandraisana ny Synodamparitany amin’ny volana oktobra izao. Mbola hatao aoriana ny tatitra ara-bola momba ny fankalazana rehetra.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Komity faha-15 taona.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.