Tatitry ny fivorian’ny Mpihevidraharahan’ny Synodamparitany SP37

FJKM NANTES FANANTENANA

Photo: Domohina RAMINOMANANA

ASABOTSY 30 OKTOBRA 2021

Tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Mpihevidraharahan’ny SP37 tamin’ny asabotsy 30 novambra tany Nantes. Miisa 35 ny Mpihevidraharaha eo anivon’ny SP37, 31 no tonga nanatrika ary 4 no niala tsiny.

Ireto avy ireo fankatoavana teo anivon’ny Komity Lehibe :

Fiangonana : fankatoavana ny

  • Fitokanana ny VOMM Jerosalema Fitahiana Neuveville ho fiangonana ( VOMM na Vondron’Olona Miara-Mivavaka).
  • Fitokanana ny VOMM Stuttgart Fahazavana ho fiangonana.
  • Fanakambanana ny FJKM Stuttgart Fahazavana, ny VOMM Freiburg sy ireo VOMM vaovao hitsangana any Allemagne ho fitandremana iray.

Mpiasa : fankatoavana ny

  • Fanendrena ireo Mpitandrina Mpiahy
    • Past Rahandrifenosoa Tahina miara-miasa amin’i Atoa Randrianarivelo Edgar ao amin’ny FJKM Stuttgart sy VOMM any Allemagne
    • Past Randriamahazaka Selasoa miara-miasa amin’i Atoa Randriamora Tony ao amin’ny FJKM Nantes Fanantenana
    • Past Raminoarinosy Ny Ilo Jihy miara-miasa amin’i Atoa Rasoamanana Rojo ao amin’ny FJKM Strasbourg Famonjena
  • Fanolorona ireo Mpitandrina telo izay hameno ny isan’ny Mpitandrina eo anivon’ny Mpihevidraharahan’ny SP37 : Past Tahiry Rakotomanana, Past Tiandray Mahandry, Past Zarazaka Jean Louis

Vola : fankatoavana ny 

  • Tetiandro 2022
  • Hatran’ny tetibola 2021
  • Tetibola 2022

Miora Andriamasinoro
Mpitantsoratra FJKM-Gland Fahasoavana
Mpihevidraharaha Synodamparitany – SP37