FJKM NANTES FANANTENANA

ASABOTSY 30 OKTOBRA 2021
Tanteraka soamantsara ny fivorian’ny Mpihevidraharahan’ny SP37 tamin’ny asabotsy 30 novambra tany Nantes. Miisa 35 ny Mpihevidraharaha eo anivon’ny SP37, 31 no tonga nanatrika ary 4 no niala tsiny.
Ireto avy ireo fankatoavana teo anivon’ny Komity Lehibe :
Fiangonana : fankatoavana ny
- Fitokanana ny VOMM Jerosalema Fitahiana Neuveville ho fiangonana ( VOMM na Vondron’Olona Miara-Mivavaka).
- Fitokanana ny VOMM Stuttgart Fahazavana ho fiangonana.
- Fanakambanana ny FJKM Stuttgart Fahazavana, ny VOMM Freiburg sy ireo VOMM vaovao hitsangana any Allemagne ho fitandremana iray.
Mpiasa : fankatoavana ny
- Fanendrena ireo Mpitandrina Mpiahy
- Past Rahandrifenosoa Tahina miara-miasa amin’i Atoa Randrianarivelo Edgar ao amin’ny FJKM Stuttgart sy VOMM any Allemagne
- Past Randriamahazaka Selasoa miara-miasa amin’i Atoa Randriamora Tony ao amin’ny FJKM Nantes Fanantenana
- Past Raminoarinosy Ny Ilo Jihy miara-miasa amin’i Atoa Rasoamanana Rojo ao amin’ny FJKM Strasbourg Famonjena
- Fanolorona ireo Mpitandrina telo izay hameno ny isan’ny Mpitandrina eo anivon’ny Mpihevidraharahan’ny SP37 : Past Tahiry Rakotomanana, Past Tiandray Mahandry, Past Zarazaka Jean Louis
Vola : fankatoavana ny
- Tetiandro 2022
- Hatran’ny tetibola 2021
- Tetibola 2022
Miora Andriamasinoro
Mpitantsoratra FJKM-Gland Fahasoavana
Mpihevidraharaha Synodamparitany – SP37