Vita soamantsara ny fanompoampivavahana fanokafana ny taompianarana Sefala 2026/2027 tao Montrouge Paris ny sabotsy 11 Aprily 2026. Nanana solotena nanatrika izany isika.
Ho antsika eto amin’ny ivontoeram-pampianarana eto Gland kosa dia nanomboka tamin’ny sabotsy 18 Aprily 2026 tamin’ny 09 ora maraina ny fianarana tao amin’ny salle La Cure, ho an’ireo nifindra taona faharoa na ho an’ireo izay vao nanolotena hiditra taona voalohany.
