Voninahitra ho an’Andriamanitra irery ihany fa vita soa aman-tsara ny Fihaonambe Nasionaly STK 2026 tany Nosy Be ny 26 – 30 Aogositra 2026 lasa teo.
Misaotra manokana ireo rehetra nanatontosa sy nahamasaka izao Fihaonambe faha-XI izao :
Ny FJKM iray manontolo, izay namela sy nanampy tamin’ny fanatanterahana izany, tarihin’ny Foibe FJKM, ny Synodamparitany ary ny Fitandremana tsirairay
Ireo Mpitondra Fanjakana, notarihin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy ny Primatiora, ary ireo Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana tao amin’ny Faritra Diana sy ny Prefektioran’i Nosy-Be
Ireo mpiara-miasa sy mpanohana rehetra, anisan’izany ny Orange Madagascar sy ny Orinasa JOTSOA tamin’ny famatsiana ny T-shirt, ary ny Orinasa 4K Design tamin’ny fanontana ny Badge
Ireo Komity Mpandray Vahiny tao amin’ny Faritra Nosy-Be, izay nandray an-tanana sy nikarakara ireo mpandray anjara nandritra ny fotoana rehetra.
Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ny fahasoavana, anie hamaly fitia anareo tsirairay avy, indrindra ireo rehetra tsy voatanisa eto.Isaorana ianareo STK rehetra tamin’ny fiaretana sy ny faharetana. Andeha horaisintsika ho sedra ireny mba hahatonga antsika ho Sampana Tanora Kristiana MATOA ka hamokatra tsara.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra!
Source: Facebook Sampana Tanora Kristiana FJKM – Ofisialy
