Tanterahina amin’ny sabotsy sy alahady 30 sy 31 oktobra 2021 ho avy izao ny fivoriam-be-n’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina araka ny dinika natrehina teo anivon’ny Synodamparitany tamin’ny volana janoary 2021 lasa teo. Ny FJKM-Nantes Fanantenana no handray antsika amin’ity taona ity (rohy).
Koa manentana antsika eto anivon’ny FJKM-Gland Fahasoavana hamandrika izany daty izany amin’ny diarintsika mba ahafahantsika miaraka mankany Nantes amin’io fotoana io.
Hisy ny rakitra faharoa ho tanterahintsika amin’ny fotoana manokana entina manohana antsika mpiara-mivavaka handeha hanatrika izany fotoana izany.
Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana.