Sortie d’été : 20 sy 21 Jona 2026
Isaorana ny Tompo fa tontosa soaman-tsara ny Sortie d’été 2026-n’ny fiangonana tany Vaumarcus ny 20 sy 21 Jona 2026 lasa teo. Hetsika izay nokarakarain’ny Sampana SLK, izay isaorana manokana azy ireo.
Isaorana ihany koa Pasitera Zo izay nitondra fampianarana ny Sabotsy, ary Pasitera Harizaka izay nitarika ny fotoam-pivavahana sady nitory ny tenin’Andriamanitra ny Alahady 21 Jona.
Fiarahana mivavaka, ala voly, korana, tsangatsangana, fiarahana misakafo, sns tao anaty fifankatiavana sy firalahiana no nanantanterahana izany Sortie izany. Faly sy afa-po ny rehetra ary dia miandrandra indray ny Sortie d’été manaraka amin’ny taona 2027.





