{Remember the date} : Semaine de la famille

Tanteraka tamin’ny alatsinainy 7 febroary ka hatramin’ny alahady 13 febroary 2022 lasa teo ny herinandron’ny fianakaviana, ka toy izao ny fandaharana tamin’izany:

  • Seminera mitondra ny lohateny hoe « Ampoka fitia » edisiona faharoa (edisiona 1 tamin’ny taona 2021)
  • Fitantarana angano ho an’ny ankizy rehetra
  • Famelabelaran-kevitra momba ny fianakaviana eo anivon’ny Sampana
  • Fiarahabana ireo mpivady te-hankalaza ny tsingerintaonan’ny fanambadiana amin’io taona 2022 io
  • Mariazy miara-mizotra 

Online avokoa no nanatanterahina ny fotoana rehetra nandritra ny herinandro ary nofaranana teo am-piangonana ny alahady 13 febroary 2022, tao am-piangonana ihany koa no notanterahina ny fiarahabana sy ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpivady mankalaza ny tsingerintaonan’ny fanambadiana.