Tanteraka tamin’ny alatsinainy 7 febroary ka hatramin’ny alahady 13 febroary 2022 lasa teo ny herinandron’ny fianakaviana, ka toy izao ny fandaharana tamin’izany:
- Seminera mitondra ny lohateny hoe « Ampoka fitia » edisiona faharoa (edisiona 1 tamin’ny taona 2021)
- Fitantarana angano ho an’ny ankizy rehetra
- Famelabelaran-kevitra momba ny fianakaviana eo anivon’ny Sampana
- Fiarahabana ireo mpivady te-hankalaza ny tsingerintaonan’ny fanambadiana amin’io taona 2022 io
- Mariazy miara-mizotra
Online avokoa no nanatanterahina ny fotoana rehetra nandritra ny herinandro ary nofaranana teo am-piangonana ny alahady 13 febroary 2022, tao am-piangonana ihany koa no notanterahina ny fiarahabana sy ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpivady mankalaza ny tsingerintaonan’ny fanambadiana.