Sabotsy 24 septambra 2022, Fandaharana fihaonana miaraka amin’ny Filoha Mpanampy FJKM

Ho tonga hitsidika antsika eto amin’ny FJKM-Gland Fahasoavana ny Filoha Mpanampy Mpitandrina, Zaka Andriamampianina Mpitandrina eo anivon’ny FJKM, ny alakamisy 22 septambra ka hatramin’ny alatsinainy 25 septambra 2022 ho avy izao.

Toy izao ny fandaharam-potoana ankapobeny amin’izany:

  • Zoma 23 septambra: Fitsidihina tanàna
  • Sabotsy 24 septambra: 
    • 12 atoandro: fiarahana misakafo ao amin’ny Salle La Cure
    • 2 ora ka hatramin’ny 3 ora tolakandro: Fiofanana miaraka amin’ny fiangonana, Temple de Gland
    • 4 ora ka hatramin’ny 5 ora tolakandro: Fiofanana sy fivoriana miaraka amin’ny Sampana rehetra, Sekoly Alahady, Dorkasy, SLK, STK, Zarampifaliana (Temple de Gland).
    • 6 ora hariva: Fiofanana sy fivoriana miaraka amin’ny Mpihevi-draharaha, Salle La Cure
  • Alahady 25 septambra, 2 ora tolakandro: Fanompoam-pivavahana eto Gland izay tarihin’ny Mpitandrina Zaka Andriamampianina.

Entanina ny sampana hanomana izany fotoana izany sy handefa tolo-kevitra aty amin’ny Birao momba ny faniriana amin’ny fampianarana ho tanterahina amin’io sabotsy tolakandro io.

Entanina ihany koa isika ry havana izay afaka hiaraka hisalahy amin’ny Birao sy ny Mpihevi-draharaha amin’ny fanomanana ny fandraisana azy (fitsidihina tanàna , fitaterana, fisakafoanana, sns…) mba hanatona ny Biraompiangonana.

Ny adiresy fifandraisana dia bureau@fjkm-gland.ch, 0041 76 433 35 25