Retour photo JAA 2022

Isaorana an’Andriamanitra ry havana fa tanteraka soa aman-tsara ny Journée Aide et Actions Edisiona 2022 tamin’ny alahady 20 novambra 2022 lasa teo.
Tsara ny vokatra azontsika. Ny tarehimarika vonjimaika voaray dia mitentina 1557 CHF sy 449 EUR.


Ny Biraompiangonana dia mampita ny fisaorana sy fankasitrahana ho antsika rehetra izay nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ka nahalavorary iny fotoana iny. Misaotra antsika hatrany ry havana amin’ny fanohanana ny fiangonana misy antsika.