Recette Malagasy

Lors de l’atelier cuisine du 06 mai 2023 dernier, les recettes de « mofo baolina » et de « cacapigeon » ont été partagées par notre amie Vero.

Pour ceux qui voudrait retrouver les recettes, vous trouverez ci-dessous les recettes écrites ainsi que les vidéos illustratives de chaque étape des recettes. N’hésitez pas à partager vos réussites dans le groupe Facebook de notre église.

CACAPIGEON

ZAVATRA ILAINA :

  • Lafarina 600g – 700g
  • levure chimique 1fonosana (11g)
  • sira 2 sotrokely safoina
  • vache qui rit 2 isa na mihoatra (azo ovaina izay tianao)
  • dibera natsonika 125 – 150g (raha beurre demi–sel dia ahena ny sira)
  • rano 50 à 100ml (izay mampitambatra azy) Racioyete)

FIKARAKARANA AZY :

  • Afangaro ny lafarina sy levure chimique ary sira
  • Arotsaka ao ny dibera natsonika avy eo dia kosehana amin’ny felatanana roa, mazaho paty mamasipasika (pâte sablée).
  • Potserina dia afangaro ao ny vache qui rit.
  • Farany, asiana rano  » kely dia kely » (araraka tsikelikely) dia kosehana amin’ny vohon-tanana toy ny hikosoka lamba mandra-pitambany ho bola 1 (tsy lalaovina ela)
  • Fonosina lamba lena na fonosina « papier film » na atao anaty bol fotsiny dia saronana lamba. Avela hilona 1ora.
  • Somary iverenana kosehana amin’ny tanana indray avy eo (tokony hahazo toy ny pâte à modeler isika), izay no ahalalana fa mety ny paty

Famisahana azy : atao kibao (rouleau) fa mety koa milina « machine”

a) na fisahana indray mandeha ny bolongana dia avalona toy ny manao « pâte feuilletée », avy eo tetehana madinika dia endasina

b) na zaraina ho bola maromaro, fisahana tsirairay avy eo ary omena « tour » tsirairay, dia tetehana madinika ihany.

==> Atao 6 tours simples mba hampivoaka tsara azy. Tsy mila alona eo anelanelan’ny “tour” (tsy mila temps de pause).

NB : Mety amin’ny « VOANDALANA » ihany koa. Amin’izay fotoana izay atao « 3 tours” ary somary efa endiendasina ny voanjo, tsy atao masaka be.

MOFO BAOLINA (30 isa kelikely)

Sady tsy mifoka menaka no tsy mavesatra, mety amin’ny ankizy

  • Atody 4
  • Siramamy 200g ( fa 6sotro raha tia matsatso sy manao régime)
  • Farine 500g
  • leviora simika 11g
  • yaourt nature 1
  • kikina hodim-boasary na hanitra vanila raha tianao

1) Kapohana tsara ny atody sy ny siramamy
2) Afangaro ny leviora sy lafarina, arotsaka ao amin’ny atody sy siramamy efa voakapoka avy eo, arotsaka koa ny yaourt sy ny hanitra. Afangaro
3) Alona 1 ora (fa mandritry ny alina no tena tsara)
4) Afanao amin’ny saba na vilany, jobo ny menaka mahadifotra
5) volavolao ho boribory tsirairay amin’ny tanana ilay paty, tsy atao vaventy fa iray sotrokely, dia endaso amin’ny afo malefaka dia malefaka.
7) Mamadi-tena ho azy sy mipasaka ho azy ny mofo baolina

NB : afaka asiana dibera kely 1 sotro efa natsonika ny paty raha tsy tianao ilay somary maimaina, ka alohan’ny handrotsahana ny ronono no handrotsahana azy.