Rakitra SEFALA 2023, 5 martsa 2023

Ho tanterahina ny alahady 5 martsa 2023 eto anivon’ny FJKM-Gland ny rakitra faharoa hanohanana ny SEFALA (Sekoly Fanomanana Laika) eo anivon’ny Synodamparitany.

Fandaminana manokana eto anivon’ny FJKM-Gland ny fanatanterahana izany rakitra izany ny alahady voalohany amin’ny volana martsa isan-taona. Ny antony manokana nanaovana izany dia ahafahana manolotra avy hatrany ny fandraisana anjarantsika anatin’ny taona fa tsy amin’ny taona manaraka.

Isaorana antsika mpiara-mivavaka amin’ny fanohanana hatrany ny SEFALA.

Entanina ihany koa isika hirotsaka amin’izany sehatra izany entina mampandroso ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra.