Petits et grands [SA]

09/12/2023 : Famaranana ny faha 15 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady
« Koa ianao, anaka,dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin ‘i Kristy Jesoa » II Timoty 2:1

Ny Sampana Sekoly Alahady dia faly manasa ny Fiangonana rehetra amin’ny sakafom- pirahalahiana  izay ho tanterahin’izy ireo ny sabotsy 09 desambra 2023 amin’ny 12h30 ho avy izao ho famaranana ny faha 15 taona nijoroan’izy ireo. Ny toerana dia ao amin’ny Espace de quartier Le 99, Rue de Lyon 99, 1203 Genève. Ny alahady 10 desambra kosa ny famaranana amin’ ny fomba ofisialy ao anatin’ ny Alahadin ny Sekoly Alahady.

Ho fandaminana amin’ izany dia hiangavana isika mba hisoratra anarana mialohan’ ny zoma 24 novambra ho avy izao. Afaka manatona ny birao na ny mpampianatra SA isika.

Koa manentana antsika rehetra hamandrika sahady ireo daty 2 ireo ho fanohanana ny zanantsika ary mba samy hitondra am-bavaka ny fikarakarana rehetra.

Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady

24/10/2023
À l’occasion de son passage en Suisse, le Pasteur Zaka Andriamampianina, vice-président de la FJKM a pu donner une formation à notre école du dimanche sur le thème ci-dessous :
Comment vivre sa vie chrétienne quand on est jeune face à la diversité cultuelle, les réseaux sociaux. Rôle des parents pour aider les enfants à rester dans le droit chemin.

07/10/2023
Les diplômes des enfants ayant passé les examens l’été dernier ont été distribué lors de l’assemblée générale de la branche école du dimanche SP37 le samedi 7 octobre à Meaux (77).
3 représentantes de notre école du dimanche ont pu s’y rendre et récupérer les diplômes malgré les temps difficiles que passaient notre paroisse à cette date.

24/09/2023 : Fifidianana Mpanolo-tsaina
Tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 24 Septambra 2023 ny fifidianana ny Mpanolo-tsaina eo anivon’ny sampana Sekoly Alahady. Arahabaina i Ramatoa Miova RASAMIMANANA

Ramatoa Miova RASAMIMANANA
Mpanolo-tsaina eo anivon’ny sampana Sekoly Alahady