Page Facebook SP37

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika

Fifaliana ho anay Biraon’ny SP37, ry havana, ny mampahafantatra antsika fa nosokafana ny pejy facebookn’ny SP37  izay mitondra ny anarana hoe

« SP Vato Fehizoro Ampitandranomasina »

Izay natao indrindra handefasan’ny Biraon’ny SP37 ireo filazana samihafa iombonantsika.

Koa entanina ianareo Fiangonana, VOMM, Sampana sy Sampanasa SP37 hiditra ho namana ao.

Marihina fa izay raharaha iombonana ihany aloha no ampiasantsika izany, ka ny Filoha sy ny Mpitantsoratry ny SP37 no mitantana azy.

Ho hitantsika miandalana eo ihany ny fanatsarana ny fampiasana izany.

Samy ho tahian’Andriamanitra

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny SP37

Ny Mpitantsoratra : Ny Mpitandrina RASOAVIMBAHOAKA Fanjanavalona