Noelin’ny Sampana

Ho tanterahina ny alatsinainy 25 desambra 2023 izao ny Noelin’ny Sampana eto anivon’ny fiangonana.

Ny fotoana dia ho tanterahina aorian’ny fanompoam-pivavahana Krismasy. Mandritra izany fotoana izany dia handray anjara hetsika mandritra ny 10-15 minitra ny sampana tsirairay sy ny antoko mpihira.

Isika mpiara-mivavaka dia entanina hitondra bûches de Noël amin’io fotoana io entina hifampizarana mandritra ny fiarahana miala hetaheta.

Amin’ny anaran’ny Biraom-piangonana