Mitady mpilatsaka an-tsitrapo – Mpaka sary

Ho an’ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny Komity Serasera sy Printy dia mitady mpaka sary milatsaka an-tsitrapo maromaro haka sary mandritra ireo fotoam-pivavahana na fankalazana eto anivon’ny fitandremana misy antsika. Tsy voatery hampiasa fakantsary akory fa na amin’ny finday tsara sary aza dia mety. Azo atao ihany koa no misafidy ny fotoam-pivavahana na fankalazana tian’ny mpaka sary hiasana.

Ny sary moa dia ho ampiasaina andravahana ireo printy na publication an’ny Serasera sy Printy eto amin’ny FJKM Gland Fahasoavana.

Raha misy amintsika maniry ny hilatsaka an-tsitrapo haka sary dia aza misalasala manoratra any amin’ny Komity Printy sy Serasera any amin’ny com@fjkm-gland.ch ary mariho hoe « Mpaka sary » ery amin’ny antony.

Eto am-panaovana veloma ry havana dia mangataka ny fiangonana hitondra am-bavaka hatrany ny asan’ny Komity Serasera sy Printy. Manao veloma finaritra amin’ny Anaran’I Jesoa Kristy Tompontsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Amin’ny anaran’ny Komity Serasera sy Printy