Jobily faha-25 taona nitandremana an’i Pr. Harizaka

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 25 taona naha Mpitandrina an’i Pasteur Razafimbololonaharizaka Solofoarimanga Willy dia manasa am-pitiavana antsika mpianakavin’ny finoana tsy ankanavaka amin’ny fotoam pivavahana arahina seho an-kira izay atao ny sabotsy 25 novambra 2023 manomboka amin’ny 2 ora sy sasany ao amin’ny Eglise Sainte Monique (55 avenue Louis Pasteur, 92220 Bagneux, France).

Hisy ny valopy zaraina mialoha ny fotoana. Hisy ihany koa ny barquette ka ho fandaminana dia indro alefa aminareo ny tapakila miisa 10 ho fandraisana anjara ho an’ireo maniry izany.

Aorian’ ny fotoana dia manasa ny Mpitandrina sy solotena roa (2) iombona amin’ny fiarahana misakafo izay atao eo an toerana ihany.

Mankasitraka sahady ny amin’ny fiarahantsika mientana ao anatin’ny fifankatiavana mialoha sy mandritra izany fotoan dehibe izany fa “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia” Jaona 13: 35

Mametraka ny veloma finaritra, ny Tompontsika hitahy ny tsirairay lalandava ary ny voninahitra dia ho Azy irery ihany.

Amin’ny anaran’ny Komity mpikarakara

Ny filoha Pasteur, Rafalinirina Lalao Angèle
Ny mpitantsoratra, Raharinelina Hanitra