Ireo Mpanatanteraka vaovao eo anivon’ny FJKM

Fifidianana ireo Mpanatanteraka

Tanteraka soa aman-tsara ny fankatoavana ireo Tonian’ny Departemanta telo eo anivon’ny FJKM izay hiara-hiasa amin’ny Sekretera Jeneraly, Andriamatoa Rakotonindrainy Jaona Mpitandrina.

Ireto avy  ary ireo tonian’ny Departemanta ireo :

Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana : Andriamatoa ROBSON Rado Lalaina Johary, Mpitandrina

Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy vola : Ramatoa Andry Nirina Velosoa

Tonian’ny Departemantan’ny Sekoly Ramatoa Rakotondranaivo Domoina

Tsara ny mampahatsiahy fa ireo tompon’Andraikitra ireo dia napetraka tamin’ny fombam-piangonana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra voafidy  tany Sambava nandritra ny Synoda Lehibe faha-19,  ny Alahady 17 Oktobra 2021 lasa teo, nandritra ny fanompoam-pivavahana eny amin’ny Coliséum.