Herinandron’ny fianakaviana 2023

Ho tanterahina ny alatsinainy 6 febroary 2023 ka hatramin’ny zoma 10 febroary 2023 ny herinandron’ny fianakaviana.

Isan’andro no ho tanterahina ny fotoana ary iarahana amin’ny FJKM Strasbourg Famonjena izany. Manomboka amin’ny 8 ora alina ny fotoana ary amin’ny rohy hifandraisan-davitra izany.

Indro ny rohy ZOOM amin’izany: https://unige.zoom.us/j/62588295815

Ny lohahevitra hobanjinana mandritra ireo fampianarana dia: « Ho fanambadiana mafy orina sy tokatrano milamina ary fiainam-pianakaviana mirindra eo ambany fahefan’ny Tenin’Andriamanitra »

Ireto avy ny loha-hevitra banjinina isan’andro:

  • Alatsinainy 6 febroary 2023, 8 ora alina

“Ho ray aman-dreny mahay manabe sy mitarika ny zanany hofehezin’ny Tenin’Andriamanitra”
(Deo 6, 1-9; Lio 15, 11-32; Efe 3, 14-21)

  • Talata 7 febroary 2023, 8 ora alina

“Ho lehilahy matotra sy tompon’andraikitra mampiadana ny vady aman-janany araka ny baikon’ny Tompo”
(Oha 5, 7-23; Mat 2 19-23; 1Tim 6, 11-16)
“Ho vehivavy hendry sy mendrika mandeha araka ny Tenin’Andriamanitra ho fitahiana ho an’ny ankohonany”
(1Sam 25, 23-35; Lio 1, 5-17; 1Pet 1, 3-6

  • Alarobia 8 febroary 2023, 8 ora alina

“Ho zanaka manaja sy mankato ny ray aman-dreniny araka ny didin’Andriamanitra”
(Jer 1, 6-10; Lio 2, 41-43; 2Tim 3, 14-17)

  • Alakamisy 9 febroary 2023, 8 ora alina

“Ho fanambadiana tsara fototra sy mafy orina amin’ny Tenin’Andriamanitra”
(Gen 2, 18-25; Mat 7, 24-29; Efe 5, 21-33)

  • Zoma 10 febroary 2023, 8 ora alina

“Ho tokantrano sy fianakaviana feno fahasoavana araka ny Fikasan’Andriamanitra”
(Sal 128; Mat 21, 28-31a; Efe 6, 1-4)

Faranana amin’ny alahadin’ny fianakaviana izay tanterahina ny alahady 12 febroary 2023 ny herinandron’ny fianakaviana.