Hanohana ny Radio Fahazavana isika Fitandremana

Hotanterahina amin’ny alahady 28 martsa 2021 ho avy izao ny fangatahana fanohanana avy amintsika mpiangona ahafahantsika amin’ny anaran’ny fiangonana iray manontolo manohana ny Radio Fahazavàna.

Ny Radio Fahazavàna dia radio antsika FJKM. Manerantany no ahazoantsika mihaino azy amin’ny alalalan’ireo tambanjotra iraisampirenena misy ankehitriny. Ny tranokala no ahafahantsika mahare ireo fandaharana rehetra avy aty Suisse. Maro ireo fandaharana ara-pilazantsara izay azonao henoina. Anisan’izany ireo toriteny isam-piangonana, ireo hira ara-pilazantsara. Tsy diso anjara amin’izany moa isika FJKM-Gland satria dia ny Sampana Lehilahy Kristiana eto amintsika dia efa nandefa fandaharana hohenoina manerantany ao amin’ny Radio Fahazavàna.

Ny fiangonana dia hanokana 50 chf anatin’ny tetibola 2021 entina hanampiana ireo fanohanana izay atolotsika mpiangona.

Indro ny rohy ahafahantsika mahare ny Radio Fahazavàna.

Mihainoa finaritra tompoko.
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.