Hafatra Krismasy Synoda sy tetiandro 2024

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Mpihevidraharaha, ny Komity Lehibe ary ny kristianina manontolo eto amin’ny SP VFA 37.

« Endrey ny halalin’ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalàlany ! Ny fitsaràny tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina ! » Amena (Romana 11 :33)

« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika.»

Fifaliana ho an’ny Filohan’ny Synodamparitany faha 37 mivady sy ny Birao mpiombona amin’ny fanompoana aminy, ry havana, ny miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana rehetra nahatratra izao Krismasy 2023 izao ary afaka misitraka izany amin’ny Fankalazana ny Mpamonjy.

Koa « Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Israely, fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy. » (Lio.1 :68).

Noho izany famonjen’Andriamanitra izany no irarianay antsika rehetra samy hahatratra ny faran’ity taona 2023 ity sy ny taona vaovao 2024 izay Taom-panavaozana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana manerana ny sahan’ny FJKM.

Manasa antsika rehetra ary, ho tonga hidera sy hanome voninahitra an’Andriamanitra, hifampiarahaba Taom-baovao, ary hiara-hitondra am-bavaka izany Fanavaozana sy ny Taom-piasan’ny Fiangonana 2024 izany, amin’ ny Asabotsy 6 Janoary 2024 ho avy izao, amin’ny 2 ora sy sasany, izay hatao ao amin’ny FJKM Montrouge Paris Fiorenana – 64 rue Maurice Arnoux – 92120 MONTROUGE. Amin’io fotoana io ihany koa no hiombonantsika hitondrana am-bavaka ny Filohan’ny SP37 mianakavy.

Koa ny Fitandremana, ny VOMM sy ny Sampana ary ny Sampanasa eto amin’ny SP37 dia entanina hiomana amin’ny Fehimpihavanana mifanandrify amin’izany.

Indro ampitaina mipaingotra eto ambany ihany koa ny tetiandrontsika SP37 izay ho arahina sy hiombonantsika manontolo ho an’io taona 2024 io. Toy ny fomba fiasa moa dia iangaviana tsy hisy raharahan’ny Fiangonana na ny VOMM na ny Sampana sy Sampanasa ary Asa hifanindran-dalana amin’izany.

Tetiandro Synodamparitany 2024

Manantitra ny firarian-tsoa sy mirary anareo hanao fety sambatra eo ambany fitahian’ny Tompo Jesoa ho an’ny isam-piangonana, isan-tsampana, isam-pianakaviana, isan-tokantrano, isam-batan’olona, ry havana, ary manao veloma amin’ny Anarany ihany koa.

« Fa Izy no niavian’izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony ; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. » (Romana 11 : 36)

Ny Biraon’ny Synodamparitany Vato Fehizoro Ampitandranomasina

Ny Filohan’ny SP37
Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves

Ny Mpitantsoratra
Ny Mpitandrina Rasoavimbahoaka Fanjanavalona