Fotoanan’ny Sampana Krismasy

Ho an’ny Filoha sy ny biraon’ny sampana eto anivon’ny FJKM Gland Fahasoavana

Ry havana,

Araky ny fanaontsika fiangonana isaky ny krismasy, dia manana ny anjarany manokana ny sampana tsirairay avy mandritry ny fanompoam-pivavahana. Koa noho izany dia manentana ny sampana rehetra mba hiomana amin’izany dieny izao. Manana 5 ka hatramin’ny 10 minitra ny sampana tsirairay avy.

Raha toa ka misy sampana maniry hampiasa fitaovana isan-karazany dia iangaviana indrindra mba hametraka izany tsy lavitry ny alitara alohan’ny fanombohan’ny fanompoam-pivavahana, mba tsy handaniana fotoana ny fitadiavana an’izany rehefa avy eo.

Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny fiangonana.

Ny Mpitandrina

Atoa Tahiry Rakotomanana

Ny Mpitantsoratra

Miora Andriamasinoro

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *