FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana septambra 2022

Alahady 4 septambra 2022: Alahady XII manaraka ny Trinite

Alahady 11 septambra 2022: Alahady XIII manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Sampanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara (AFF)

Alahady 18 septambra 2022: Alahady XIV manaraka ny Trinite

Alahady 25 septambra 2022: Alahady XV manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-Pinoana (FFP)

HAFATRA Alahadin’ny FFP 2022

Ry havana,
Ho aminareo ny Fahasoavan’ny Tompo.

Am-pifaliana indray no anolorana ny fiarahabana ho antsika mpianakavin’ny finoana ato amin’ny sahan’ny FJKM amin’izao Alahady natokana ho an’ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam- Pinoana (FFP) izao.

Andeha hiainga amin’ny teny fanevan’ny FJKM isika amin’izao hafatra izao manao hoe « Miorena tsara, aza miova » (1 Kor 15. 58a). Hamafisina hatrany araka izany ny tokony hahamafy orina ny finoan’ny kristiana FJKM, tsy hitsingilahila, tsy hihozongozona, tsy hivezivezy atsy sy aroa fa miorina tsara, tsy miova. Manentana indray ny Mpitandrina sy ny kristiana rehetra àry izahay mba samy hazoto handalina hatrany ny finoany amin’ny alalan’ny fandinihana sy fandalinana ny Soratra Masina miampy ireo boky samihafa izay manazava ny foto-pinoana eken’ny Protestanta Reformé sy ny FJKM. Mila mijoro tsara amin’ny finoana kristiana isika eo anoloan’ireo fampianarana samihafa izay mitombo sy miha-mahazo vahana ankehitriny ka mety hahatarika antsika hivily lalana. « Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao » (2 Tim 3. 14).

Toy ny mahazatra dia misy ny fandaharana iombonana izay nalefa isam-piangonana ary mirakitra izao hafatra vakina izao.

Tsy hohadinointsika koa anefa amin’ity andro ity ny fitondrantsika am-bavaka ireo asa samihafa iandraiketan’ny Sampanasa FFP, ary ny fanohanana ny fanatanterahana ireo asa amin’ny alalan’ny Rakitra sy fanomezana manokana ho an’ny Sampanasa FFP. Maneho ny fisaorana sy fankasitrahana tanteraka ho antsika rehetra amin’izany fiaraha-miasa izany sy fiheverana manokana ny FFP manoloana ny andraikitra maro samihafa sahaniny.

Fa hoy ny Soratra Masina : « FIADANANA anie ho an’ny rahalahy ary FITIAVANA mbamin’ny FINOANA avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. Ny FAHASOAVANA ho amin’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona » (Efe. 6.23 – 24).

Mirary soa ho antsika rehetra ary manao veloma finaritra amin’ny Anaran’ny Tompo!
Ny Biraon’ny Sampanasa FFP

Ny Filoha,
RAKOTOARISAONA Joseph Mpitandrina

Ny Tale,
RABEMANANTSOA Solofo
Mpitandrina