FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana novambra 2022

Alahady 06 novambra 2022 : Alahady XXI manaraka ny Trinite
Alahady 13 novambra 2022 :
Alahady XXII manaraka ny Trinite – Fitantanana ny Fananana
Alahady 20 novambra 2022 : Alahady XXIII manaraka ny Trinite -SAMPATI
Alahady 27 novambra 2022 : Advento I – KPMS

KOMITIM-PIRENENA MIADY AMIN’NY SIDA – KPMS/FJKM

Ifanomezantsoa Analakely
BP 623
Antananarivo 101
kpms.fjkm@gmail.com

“Miorena tsara, aza miova” (I Kor 15 : 58)

“Fa ataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko” (Est 8 : 6a)

HAFATRA KOMITY FOIBE KPMS 08 SY 09 DESAMBRA 2021

SYNODAMPARITANY TSIROANOMANDIDY

Hampitomboina amintsika rehetra anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’ny Tompo.

                Ny Komity Foibe KPMS faha 19 izay notanterahina teto amin’ny FJKM TSIROANOMANDIDY ZIONA, Synodamparitany Tsiroanomandidy (SP 34) tamin’ny faha 8 sy 9 Desambra 2021, dia maneho fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitantanany ka nahatontosàna izany. Isaorana ihany koa ireo Birao Foibe FJKM izay tarihin’Atoa Filoha sy ny Mpanatanteraka izay tarihin’Atoa Sekretera Jeneraly izay nanome alalana sy nanotrona ka naniraka an-dRtoa ANDRY NIRINA Velosoa, Tonian’ny Departemantan’ny Mpiasa sy ny Vola ary ny Fananana eto amin’ny Foibe FJKM; isaorana ihany koa ny Synodamparitany TSIROANOMANDIDY izay tarihin’Atoa Prezidà Synodaly mivady; ny Fitandremana FJKM TSIROANOMANDIDY ZIONA izay tatrihin’ny Mpitandrina mivady nandray ny fivoriana sy ny fikarakaràna rehetra. Ilay Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia azy ireo.

                Ny Synoda Lehibe faha XIX izay notanterahina tany SAMBAVA ny 11 ka hatramin’ny 18 Aogositra 2021 dia nahatsapa fa mirongatra izay tsy izy ny areti-mandoza SIDA ary nanampy trotraka etsy an-kilany koa ny firongatry ny VALANARETINA hafa rehetra indrindra fa ny COVID-19; noho izany ny Synoda Lehibe dia nanome andraikitra ny KPMS hiantsoroka ihany koa ny ady amin’ny VALANARETINA HAFA REHETRA.

                Araka izany dia tena am-perinasa tanteraka amin’ny ady atao amin’ny Valanaretina hafa rehetra ny KPMS/FJKM, ka manamafy etoana ny fampahatsiahivana ny Fiangonana FJKM rehetra ny amin’ny fanaganana ny rantsa-mangaikan’ny Komitim-pirenena miady amin’ny SIDA sy ny VALANARETINA REHETRA any amin’ny Synodamparitany sy ny Fitandremana tsirairay avy.

                Mampahatsiaro ihany koa ity Komity Foibe ity ny amin’ny tsy maintsy hanamafisana hiainan’ny rehetra ny fepetra sakana ara-pahasalamàna, ho fisorohana; ary manentana ny vahoaka Kristiana sy ny olom-pirenena Malagasy hifampitsimbina sy havitrika hanao Vaksiny.

                Notsahivina ny hanamafisana ny fanentanana ny ady atao ami’ny TSIMOKARETINA VIH sy ny FITILIANA ary ny Tsy Fanilikilihana ireo izay mitondra izany sy ny fandraisana an-tànana azy ireo, toy ny efa natao hatrizay.

                Ny KPMS dia mirary Krismasy sy Taombaovao sambatra ho antsika rehetra.

“Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo…manoatra noho ny mpandresy isika

 amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (Fil. 4 : 4; Rom. 8 : 37)

                                                                                                                              Tsiroanomandidy, faha 9 Desambra 2021

Ny Filohan’ny KPMS

Atoa RAZAFIMAHATRATRA Jean William, Mpitandrina