FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana may 2022

Alahady 8 mai 2022: Alahadin’ny Sampana Lehilahy Kristiana

Alahady 15 mai 2022: Alahadin’ny Mpiasa iombonana

Alahady 22 mai 2022: Alahadin’ny FFPM

Ny Fiombonan’ ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) dia fikambanan’ ireo fiangonana prôtestanta roa lehibe indrindra eto amin’ ny Nosy, dia ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Izany fiombonana izany dia tanterahina amin’ ny fiaraha-mivavaka amin’ ny fotoana sasany sy fananganana sehatra na fotodrafitrasa iraisana toy ny sekoly. Samy mampiasa ny Baiboly prôtestanta ireo Fiangonana ireo ary iombonany koa ny fampiasana ny boky fihirana sy ny tiona FFPM. Samy manaraka ny ankabeazan’ ny teôlôjia prôtestanta izay niteraka sady vokatry ny Reformasiona izy ireo nefa ny FLM manaraka indrindra ny an’ i Martin Lotera fa ny FJKM manaraka kokoa ny an’ i Jean Calvin. Ireo fiangonana roa ireo no manana tantara tranainy indrindra amin’ ny Fiangonana kristiana rehetra eto Madagasikara.

Atao hoe « Fédération des Eglises Protestantes à Madagascar » ny FFPM amin’ ny teny frantsay ary « Federation of the Protestante Churchs in Madagascar » amin’ ny teny anglisy[1]. Efa tany amin’ ny taona 1913 no niforonan’ io fiombonana io. Tsy ny fiangonana atao hoe « prôtestanta » (na milaza tena hoe « prôtestanta ») rehetra anefa no miombona ao amin’ ny FFPM. Ny Eklesia Episkopaly Malagasy (na Aglikana) dia tsy isan’ ny FFPM. Tsy ireo ao amin’ ny FFPM ireo ihany koa anefa no fiangonana prôtestanta eto Madagasikara.

Source: wikipedia

Alakamisy 26 mai 2022: Andro Niakarana