FJKM – Ireo daty manokana mandritra ny volana aogositra 2022

Alahady 7 aogositra 2022: Alahady fahavalo manaraka ny Trinite

Alahady 14 aogositra 2022: Alahady fahasivy manaraka ny Trinite
Alahadin’ny KFTM (Maritiora)

Ny KFTM dia azo alavaina hoe: Komity Fanorenana ny Tsangambaton’ny Maritiora.

Hanatanteraka ny hetsika « DIAN’IREO MARITIORA » ny FJKM amin’ny sabotsy 13 aogositra 2022 ho avy izao.

“Fa ny olona izay mahalala an’Andriamanitra kosa dia hifikitra amin’ izany ka hankatò azy” (Dan 11 : 32b).

Hahafantaranao ny tantaran’ ireo Maritiora sady fijoroana vavolombelon’ ny Filazantsara dia toy izao ny fandaharana:

Sabotsy 13 Aogositra 2022

  • 08h30: FJKM Faravohitra
  • Fanompoam-pivavahana fanombohana
  • Mihazo ny FJKM Ambatonakanga
  • Manohy mihazo ny FJKM Amboninampamarinana
  • Mihazo ny FJKM Rasalama Maritiora Ambohipotsy
  • Fanompoam-pivavahana famaranana

Hisy fampahafantarana ny tantaran’ ireo Maritiora isaky ny Fiangonana lalovana.

Alahady 21 aogositra 2022: Alahady fahafolo manaraka ny Trinite
Alahadin’ny Aumônerie Nationale

Alahady 28 aogositra 2022: Alahady XI manaraka ny Trinite
Alahadin’ny AKAFITA

Ny AKAFITA dia azo alavaina hoe: AKANY FIALOFANA TANGAINA.

Sehatra mikarakara ny kamboty na « orphelinat » ny AKAFITA.