FJKM – Hafatry ny Mpiandraikitra Foibe 20-27 Aprily 2022

Ry Havana malala,

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo. (Rom 1. 7b)

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto Antananarivo ny 20-27 Aprily 2022 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:

“Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy azo tononina” (2 Kor 9. 15) fa voatolotra soa aman-tsara tamin’ny fomban’ny Fiangonana ireo Komity sy Vaomiera samihafa hiasa mandritra ny 4 taona indray isaky ny sehatra manandrify azy ireo tamin’ny Alahady 24 Aprily 2022 tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, Antananarivo. Tanteraka tamin’izao fivoriana izao koa ny fifidianana, fanendrena ary famindran-toerana ireo Prezida Synodaly vitsivitsy.

Misaotra antsika rehetra amin’ny fiaraha-mientana tamin’ny firosoana tamin’ny fananganana ireo Vaomieran’ny Hazakazaka Masina sy ireo Vaomieran’ny fananana isaky ny Synodamparitany sy Fiangonana, ary mitaona ireo tsy mbola nahavita hiroso ho amin’izany koa.

Ankasitrahina ihany koa ny fiainantsika ny fiombonam-bavaka isanandro amin’ny 8 ora alina ary mitaona antsika hanohy izany hatrany. Ny tari-dalana ho amin’izany dia azontsika alaina ao amin’ny tranonkalan’ny FJKM sy ny pejy “Facebook” FJKM Ofisialy ka azontsika aparitaka

Mankahery ny tomponandraikitra rehetra miasa amin’izao fe-potoam-piasana 2021-2025 izao, ary mampahatsiahy antsika fa ny taona 2024 no taom-panavaozana indray (Fitandremana, Sampana sy Sampanasa ary Asa eny anivon’ny Synodamparitany sy ny Foibe FJKM). Ny taona 2025, kosa raha sitrapon’ny Tompo ka velona isika, no hiatrehantsika indray ny Synoda Lehibe faha XX any Taolagnaro.

Mampirisika antsika rehetra hiomana sahady sy handamina ny fotoanantsika amin’ny famonjena ireo fihaonamben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa amin’ity taona ity.

Eo anatrehan’ny firoborobon’ny teknolojia sy ny tontolon’ny serasera (Haino, vaky, jery) dia mitaona antsika Kristiana FJKM rehetra hanam-pahendrena sy hitandro mandrakariva ny voninahitr’Andriamanitraka tsy hamoaka ny raharaham-piangonana amin’ireny sehatra ireny.

Mampisaotra an’Andriamanitra ny ezaka ataon’ny Sekoly FJKM (Mpampianatra, mpianatra, ray aman-dreny) fa mahazo vokatra tsara hatrany isika, koa mitaona antsika hampianatra ny zanatsika amin’ny sekoly FJKM ary hatoky ny sekolintsika.

Mampirisika antsika hatrany, araka izany, hitsinjo ny sekoly, ka andaniny samy handrotsaka ny 2% amin’ny tetibolantsika Fitandremana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM ho an’ny sekoly, ary ankilany kosa samy hanao ho zava-dehibe ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly.

Misaotra an’Andriamanitra isika fa nahatanteraka fiofanana andiany voalohany momba ny tontolon’ny famokarana sy fampamokarana ireo Raiamandrenintsika Prezida Synodaly. Koa mitaona antsika Fitandremana sy Synodamparitany hitrandraka izay azo heverina ho loharanom-bola maharitra ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra

Ankasitrahana manokana ny ezaka sy ny fikelezana aina efa nataontsika sy mbola hataontsika koa amin’ny fanefana ny Adidy Kitapo Iombonana ary handrotsaka izany araka ny fe-potoana voafaritra isaky ny sokajiny avy.

Mampahatsiahy antsika manerana ny sahan’ny FJKM fa ny Alahady fahatelo amin’ny volana Mey no natokantsika hitondrana am-bavaka sy hanohanana ireo mpiasan’ny Foibe matihanina ato amin’ny FJKM ka ny Alahady 15 Mey izany amin’ity taona 2022 ity.

Mitaona antsika Malagasy rehetra hanao ho zava-dehibe ny fihavanana sy ny fifamelan-keloka ka hampanjaka ny fitiavana amin’ny sehatra misy antsika avy.

Manentana antsika hatrany hitandrina manoloana ny valan’aretina samihafa sy ny fepetra mifanaraka amin’izany.

Miantso ny tomponandraiki-panjakana ary mitaona ny vahoaka Malagasy rehetra ihany koa mba samy handray andraikitra manoloana ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana izay mahazo vahana eto amin’ny firenentsika (fanolanana, fakana an-keriny sy ny maro hafa)

Eto am-pamaranana dia anterina etoana ny fisaorana antsika rehetra izay tsy nisalasala nifanome tamin’ny vonjy rano vaky noho ny fandalovan’ny rivodoza “Batsirai sy Emnati ary Jasmina”. Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra!” (2 Tes 3. 16).

“Ho vy sy varahina ny hidinao ary hifamatra amin’ny andronao ny fiadananao.”(Deo 33. 25)

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe
Ny Filohan’ny FJKM
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina