FJKM – Hafatry ny Filoha Paska 2022

MANDRESY I JESOA : MANDRESY ISIKA !

“Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (I Kor. 15.57)

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo,

Izany hiakam-pandresena feno fiderana an’Andriamanitra izany no iarahabana antsika omen’Andriamanitra izao PASKA 2022. Mandresy ny fahafatesana I JESOA KRISTY Tompontsika, ary tsy Izy irery ihany no mandresy fa ampiomboniny amin’izany fandresena izany koa isika!

MANDRESY I JESOA : MANDRESY ISIKA !

Miatrika ny ady amin’ny fahotana sy ny fakam-panahy maro isika; saingy efa resin’i JESOA izany rehetra izany ka tsy hanaiky handevozin’ny fahotana malaky mahazo sy ny fahazaran-dratsy isika, satria voasoratra hoe: “ Fa ny amin’ny nahafatesany (Kristy), dia maty ny amin’ny ota indray mandeha Izy; fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy. Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy” ( Rom. 6, 10-11)

MANDRESY I JESOA : MANDRESY ISIKA !

Miatrika ady amin’i Satana sy ny miaramilany isika; saingy efa resin’i JESOA ireny rehetra ireny ka tonga marina amintsika izay voasoratra hoe: “ Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo.” (Rom.16.20)

MANDRESY I JESOA : MANDRESY ISIKA !

Miatrika ny ady amin’ny endriny samihafa eo amin’ny fiainana iombonan’ny terak’olombelona rehetra sy ny maha kristianina antsika manokana isika, “ Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” (Rom.8.37)

Mahereza, ry havana!

HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA! Amen.

Faravohitra, Aprily 2022
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina
Filohan’ny FJKM