FJKM – Hafatry ny filoha martsa 2023

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa raha Filazantsara
No mameno ny aty fo
Sy mameno ny tanàna,
Mameno ny isan-tokantrano,
Mameno toeram-piasana,
Sy sekoly sy hopitaly,
Tribonaly, ladoany,
Ary tobi-miaramila,
Ary ho tonga hatreny an-tsena
Sy toeram-pilanonana,
Dia handositra avokoa
Ireo faharatsiana sesehena
Miteraka ny kolikoly,
manamaro ny herisetra
sy vono olona mpitranga.
Dia hihena be dia be
Ny habibiana samihafa.
Ka ny olona ho Olona,
olom-pirenena vanona,
ka tsy hahavanon-doza
handripaka aina, handatsa-dra
ka ny olona avy koa
no hoheverina ho moka
na ho sanatria akoho!
Fa raha Filazantsara
No mameno firenena,
dia ho sambatra eto isika,
koa andao e, milofosa:

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI