FJKM – Hafatry ny filoha Jona 2023

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !


Fa izany dia izany
No faratampony tokoa
Ho fitiavan-tanindrazana.
Fa ny firenena tiana
Dia asondrotra ho ambony,
nefa ny ambony indrindra
tsisy mihoatra ny any an-danitra!
Fa ny firenena tiana
Dia hasoavina ho tsara
Nefa tsisy tena tsara
Toy ny hoe i Jesoa no Tompo
Sy manjaka manontolo
Eto Madagasikara!
Fa ny firenena tiana
Dia irina marimarina
Mba ho sambatra tokoa
-tsy amin’ny hira fotsiny ihany,
fa fahasambarana hahatratra
ny amin’ny isam-baravarana!
Kanefa iza moa no sambatra?
Ny firenena izay voalaza
Fa manana an’i Jesoa Tompo
Ho Andriamanitra inoany,
Ka ireo Mpitondra, olon-tsoa
tena minoa an’i Jesoa;
ny vahoaka maro ana isa,
miroso ho any Paradisa!
Ry olom-pirenena vanona:


VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI