FJKM – Hafatry ny filoha Desambra 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !

Mba hanjaka anivontsika
Ny fahamarinana madio
Tsy anjakan’ny kolikoly
Sy risoriso, fahalovana
Amin’ny endriny rehetra;
Fahalovana izay hita
Miharihary fa mandoza
Ity tanindrazantsika ity
Nefa, indrisy, fa inian’
Ireo izay tsy mataho-tody
Atao ihany, atao ihany,
Hanangonana harena
Hahatonga hatraiza anefa?
Fa rehefa hiala ety
Angaha hisy hahatondra
Na dia hoe iraimbilanja?
Nefa dia atao ihany
Hambotriana firenena,
ka tsy mampaninona azy,
na dia hitofezaka aza,
na dia handry andriran’antsy
ny vahoaka maro an’isa,
izy kosa higalabona
ao anaty harena be
maimbo alahelon’olona
sy tomanin’ny vahoaka!
Ny hamaranana an’izany
Fomba ratsy izany indrindra
No antony ilazana hoe:

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI