FJKM – Hafatry ny Filoha

𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐁𝐀𝐍𝐀 𝐊𝐑𝐈𝐒𝐌𝐀𝐒𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟐

Ry Havana Malala,

« Voninahitra any amin’ny Avo Indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany ho an’ny olombelona fa nanehoany fitia ! » (Lio. 2: 14)

Izany hiran’ny anjely, tanteriko araka ny dikan-teny Iombonana eto Madagasikara, izany no iarahabana antsika amin’izao Krismasy 2022 izao ka irariana soa ho antsika hoe :

𝕸𝖎𝖋𝖆𝖑𝖎𝖆 𝖆𝖒𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝕶𝖗𝖎𝖘𝖒𝖆𝖘𝖞 𝖋𝖆 𝖆𝖟𝖆 𝖗𝖊𝖘𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝖐𝖗𝖎𝖟𝖞 𝖒𝖆𝖋𝖞 !

I JESOA KRISTY jerena. Andriamanitra tonga olombelona Izy ho  » Imanoela« , izany hoe, raha adika: « Amintsika Andriamanitra », miara-monina amintsika Andriamanitra ! Ary izany no ilazana hoe:

𝕸𝖎𝖋𝖆𝖑𝖎𝖆 𝖆𝖒𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝕶𝖗𝖎𝖘𝖒𝖆𝖘𝖞 𝖋𝖆 𝖆𝖟𝖆 𝖗𝖊𝖘𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝖐𝖗𝖎𝖟𝖞 𝖒𝖆𝖋𝖞 !
Fa tsy hadinon’ Andriamanitra ao anatin’ny olam-piainana mianjady amintsika akory isika olombelona, na toy ianao no toy inona hamafin’izany. Mahereza, eto aminao i JESOA fa tsy mamela Anao ho irery ! Koa:

𝕸𝖎𝖋𝖆𝖑𝖎𝖆 𝖆𝖒𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝕶𝖗𝖎𝖘𝖒𝖆𝖘𝖞 𝖋𝖆 𝖆𝖟𝖆 𝖗𝖊𝖘𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝖐𝖗𝖎𝖟𝖞 𝖒𝖆𝖋𝖞 !

Eto akaikinao i JESOA ! Antsoy Izy. Mivavaha Aminy ! Nefa mihoatra noho izany : asao hiditra ao amin’ny fonao sy ny fiainanao Izy, ka na mety ho ratsy sy maimbo toy ny tranon’omby aza ny fonao, tsarovy fa vonona hiditra ao Izy hanova izany ho tempoly Masina ! Fa raha mbola ao i JESOA ho hainao izao hafatra izao hoe :

𝕸𝖎𝖋𝖆𝖑𝖎𝖆 𝖆𝖒𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝕶𝖗𝖎𝖘𝖒𝖆𝖘𝖞 𝖋𝖆 𝖆𝖟𝖆 𝖗𝖊𝖘𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝖐𝖗𝖎𝖟𝖞 𝖒𝖆𝖋𝖞 !

Ary enga anie mba tsy hotenitenenim-poana ny anaran’i JESOA KRISTY amin’izao Krismasy izao, ka i JESOA KRISTY ankalazaina, nefa ny atao hitenenan-dratsy ny Anarany, ny fiainana mampitomany Azy ! Fa mba Izy Tompon’ ny fety anie no ho faly voalohany mahita antsika tena tia Azy marina, tena mino Azy marina, Ary mitondra tena mifanaraka amin’izany, dia hiantefa amintsika ny fifaliana tena izy avy Aminy, ka ho haintsika ivelomana izao hafatra izao hoe:

𝕸𝖎𝖋𝖆𝖑𝖎𝖆 𝖆𝖒𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝕶𝖗𝖎𝖘𝖒𝖆𝖘𝖞 𝖋𝖆 𝖆𝖟𝖆 𝖗𝖊𝖘𝖎𝖓’𝖓𝖞 𝖐𝖗𝖎𝖟𝖞 𝖒𝖆𝖋𝖞 !

Dia mirary Krismasy sambatra miaraka amin’i JESOA KRISTY, Imanoela, ry Havana !

Ary HO AN’ ANDRIAMANITRA NY VONINAHITRA !

𝐈𝐑𝐀𝐊𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎𝐒𝐎𝐀 𝐀𝐦𝐦𝐢, 𝐌𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐚
𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐉𝐊𝐌