FJKM – Hafatry ny filoha 2023

FAMINTINANA NY TENIN’NY FILOHAN’NY FJKM,
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA AMMI, MPITANDRINA
TENY ANTSONJOMBE

Noraisin’ny Filohan’ny FJKM ny Genesisy 2.4-17 ho fanentanany amin’ny fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra sahanin’ny FJKM amin’ity taona 2023 ity, ka nilazany fa, ity taona 2023 ity dia : 1/ Taonan’ny Finoana. 2/ Taonan’ny asa. 3/ Taonan’ny fankatoavana;

1/ Taonan’ny finoana, satria mila miaraka amin’i Jesoa Kristy sady matoky Azy isika ho famitana ny vina rehetra, satria izay miaraka amin’Andriamanitra dia hisitraka ny harem-pahasoavany.

2/ Taona ny asa, satria izay miara-miasa amin’i Jesoa Kristy, dia miasa tsara sy manao asa tsara, (Salamo 119.68). Rehefa tsy hiasa kosa dia mipetraha tsara

3/ Taona ny fankatoavana, satria Jesoa Kristy dia Mpankato ny Rainy (Jaona 6.38), koa ankatoavy avokoa ireo sitrapon’Andriamanitra fantatrao

Tontolo tsara no noforonin’Andriamanitra iainan’ny olombelona izay nahitana tontolo maitso. Ny FJKM dia manao tetikasa “Ala FJKM” ho famerenana, ny tontolo maitso eto Madagasikara. Nambarany fa Fitoriana Filazantsara sy fiaraha-miasa amin’Andriamanitra ny famerenana ny tontolo maitso eto Madagasikara. Andriamanitra dia manaja ny safidin’ny olombelona tsirairay, na dia mandidy ny olombelona hisafidy ny sitrapony aza Izy, satria fahavelomana mandrakizay ny fankatoavana an’Andriamanitra (Un gramme d’obéissance vaut mieux qu’une tonne de connaissance).

Nanantitrantitra ny fiombonam-bavaky ny kristiana 24 ora amin’ny 24 ora ny tenany ka nilaza fa, efa misy ny taridalana mikasika izany, izay efa voafintina anaty boky iray, ka mila ananan’ny tsirairay.

Nohamafisiny ny herinandron’ny fianakaviana, izay tokony tanterahina isam-pitandremana isan-taona, satria mila arovana ny fianakaviana. Mila havaozina isan’andro ny fiainam-pitiavan’ny ankohonana, ho fanekena ny hazavan’ny herin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, mba tsy ho potika ny fiaraha-monina sy ny Fiangonana.

Notsiahiviny ihany koa ny fanapahan-kevitry ny Synoda Lehibe tany Sambava, mikasika ny fametrahana sampandraharaha ho an’ny fampamokarana, izay isahana ny fitadiavana loharanom-bola maharitra isam-pitandremana, ka noresahany : 1/ Ny rano madio fisotro ara-pahasalamana mitondra ny anarana “Aina”, izay vokarin’ny FJKM, ka iandrasana ny taratasy fankatoavana avy amin’ny fitondram-panjakana ny famokarana sy ny fivarotana azy. 2/ Tanjona ny fanorenana sekoly vaovao miisa 111 (Sekoly 3 isaky ny Synodamparitany miisa 37), satria ny fanabeazana no fitaovana mahery vaika iray, hahafahana manova ho tsara ny firenena (Nelson Mandela). Sekoly 41 no efa tafatsangana ankehitriny. 3/ Tanjona ny fananganana oniversity 3, ka roa no tafapetraka ankehitriny (Iray ao Antsirabe; iray ao Mahajanga). Efa misy ny fangatahana avy amin’ny Faritra Toamasina ny hametrahana ilay oniversity faha 3. 4/ Ny fanatanterahana ny hetahetan’ireo mila vonjy mpiray tanindrazana, araka ny hery omen’Andriamanitra ny Fiangonana.

Marturia Vavolombelona