FJKM – Fihaonamben’ny Sampana

SAMPANA DORKASY

Nosoratan’i Pascal Maradonat avy ao amin’ny pejiny Facebook

Nifarana ny 9 Aogositra 2026, tao amin’ny Coliseum Ambatomena Fianarantsoa ny Fihaonambe Nasionaly faha-XIII Sampana Dôrkasy FJKM.
Nandritra ny dimy andro no nanatanterahana ny fihaonambe tao Fianarantsoa, ka telo andro tamin’izany no nihaonan’ireo mpizaika tao amin’ny Coliseum Ambatomena.
Ny lohahevitra: “Dôrkasy miaina fiadanana, mahefà be mandrakariva amin’ny Asan’ny Tompo – Fiadanana ho anareo.”Izany no hafatra manentana ny Dôrkasy rehetra mba samy handray ny andraikiny sy hanao izay tokony hataony, ho fanorenana sy ho fampanjakana ny fiadanana eo anivon’ny fiarahamonina.
Tsara ny manamarika fa maherin’ny 15 000 ireo mpizaika nandray anjara tamin’ity Fihaonambe Nasionalin’ny Sampana Dôrkasy ity. Fihaonambe izay natao ihany koa hamolavolana sy hamokarana Dôrkasy mpitarika, afaka mitondra anjara biriky lehibe eo anivon’ny fiarahamonina.
Ankoatra izany, nanome voninahitra ity fihaonambe ity ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Mpanolotsaina Avo ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ary ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro tao an-toerana.
Nifarana araka izany ny Fihaonambe Nasionalin’ny Sampana Dôrkasy FJKM, tao anatin’ny firaisankina, finoana ary fanoloran-tena avy amin’ny rehetra ho amin’ny Asan’ny Tompo sy ny fanorenana fiadanana eo amin’ny Fiangonana sy ny Firenena.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *