Fisaorana tamin’ny voka-dehibe faharoa

Isaorana an’Andriamanitra fa tanteraka soa aman-tsara tamin’ny alahady 11 septambra 2022 lasa teo ny voka-dehibe faharoan’ny fiangonana.

Ny tenin’Andriamanitra nosafidiana tamin’ity taona ity dia:
Koa tahaka ny nandraisanareo an’I Kristy Jesoa Tompo, dia mandehana ao aminy araka iyany koa,… ka mazoto amin’ny fisaorana”. Kol 2: 6-7

Isaorana eram-po eran-tsaina ny fiangonana iray manontolo tamin’ny fitondrana vokatra sy tamin’ny famadihana izany ho vola.

Tena hery lehibe ho an’ny fiangonana ny fanohanana avy amintsika mpiara-mivavaka.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana