Fisaorana sy fankasitrahana

Isaorana an’Andriamanitra lehibe ry havana fa noho ny fahasoavany dia tanteraka soa aman-tsara teto amintsika ny Fivoriamben’ny Synodamparitany tamin’ny faha-28 sy 29 oktobra 2023 lasa teo.

Ny Biraompiangonana dia mampita ny fisaorana sy fankasitrahana antsika tsirairay avy. Hita taratra tao anatin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny firaisan-kinan’ny fiangonana iray manontolo manoloana ny asa rehetra niandry antsika.

Misaotra indrindra ry havana tamin’ny fanohananareo tamin’ny lafiny rehetra, ny fikarakarana, nahafahana nahalavorary iny fotoan-dehibe iny.

« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany. 11Ary mbola irinay ianareo rehetra samy haneho izany fahazotoana izany mba hahazo ny fahatokiana be ny amin’ny fanantenana hatramin’ny farany;  » Hebreo 6: 10, 11

Amin’ny Anaran’ny Biraompiangonana.