Fisaorana Hetsika Synoda 16 martsa 2024

Ho an’ny Mpitandrina sy ny Fiangonana, ny VOMM ary ny Sampana sy Sampanasa ary Asa, ny Kristiana manontolo eto amin’ny SP VFA 37

« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika. »

Hoy ny Soratra Masina : « Maneke AZY amin’ny alehanao rehetra, fa IZY handamina ny làlanao. » (Oha.3 :6)

Ry havana,

Noho ny fitahian’ Andriamanitra sy ny fandraisan’andraikitra nataontsika dia tontosa soa aman-tsara ny fivorian’ny Mpihevidraharaha sy ny Komity lehiben’ny Synodamparitany tsy ara-potoana ny Asabotsy 16 Martsa lasa teo.

Izahay Biraon’ny SP37 dia mankasitraka eram-po sy eran-tsaina tamin’ny fahafoizan-tena sy ny fitiavanareo hampandroso ity SP37 mamintsika ity.

Anisan’ny zava-dehibe nanamarika iny fivoriana iny moa ny nanekena ny VOMM FREIBURG sy ny VOMM BREST ho isan’ny Fiangonana FJKM eto anivon’ny SP37. Teo ihany koa ny fanatsarana ny fitsipika anatin’ny SP37. Ary niarahana nanaiky ihany koa ny fanampiana ny Sampana Fifohazana amin’ny famintana ny tranontsika (finition) any amin’ny Toby Getsemane Antambohomena ka handraisantsika fiangonana sy VOMM anjara izay araka izao fitsinjarana eto ambany izao:

  • 250€ avy ny Wagner Finoana Paris sy Ziona Vaovao Paris
  • 150 € avy ny Montrouge Paris Fiorenana , Filadelfia Meaux, Gland Fahasoavana Suisse
  • 100€ avy ny Betela Fahamarinana, Betlehema Mifankatia Paris, Jerosalema Fitahiana, Kanana Fiadanana, Nante Fanantenana, Rennes Laval, Strasbourg Famonjena, Stuttgart Fahazavana, Peniela Fitiavana Paris.
  • 50€ avy ny VOMM Brest, Freiburg, Lille, Montpellier, Berlin

Ny tatitry ny fivoriana rehetra moa dia halefa amintsika Mpihevidraharaha sy ny Komity Lehibe ihany aoriana kely.

Izahay Biraon’ny SP37 ihany koa dia faly manantitra ny fankasitrahana feno sy tanteraka antsika rehetra mpianakavin’ny finoana tamin’ny fandavorariantsika ny hetsika TALENTA VOAHOSOTRA FAHAROA tamin’io Asabotsy 16 Martsa 2024 io ihany.

Lavorary avokoa na ny fideràna, na ny fandaminana sy izay rehetra nampandraiketina ny tsirairay avy izay manamarina hatrany ny Tenin’ny Tompo hoe: « voazarazara ny fanomezam-pahasoavana ».

Manan-talenta ho an’ Andriamanitra sy mahafoy ny tsara ho an’ny Tompo avokoa isika rehetra, ry havana.

Izy Tompo anie hamaly fitia antsika, araka ny voalazany hoe : « Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » 1Kor.15 :58d

Anterina ny fankasitrahana anareo efa nahafeno ny vidin’ny tapakila rehetra.

Raha sendra isan’ny tsy mbola nahaloa ny vidin’ny Tapakila isika Fiangonana, dia iangaviana indrindra hanefa izany any amin’ny Mpiandraikitra ara-bolan’ny SP VFA 37 mba ahazoan’izy ireo manao ny tomban’ezaka sy ny tatitra aoriana.

Efa nampitaina tamin’ny isam-piangonana ihany koa ny fandaharam-potoanantsika mandritry ny Herinandro Masina 2024, koa manentana antsika rehetra samy ho tonga, ry havana.

Farany, mampahery antsika amin’ny fanavaozana sy ny fampiofanana maro toy ny Diakona sy ny Birao ary ny sampana isam-pitandremana, ary manome fotoana antsika indray amin’ny fanavaozana ny biraon’ny sampana ato amin’ny Synodamparitany izay hatao amin’ny 01 May 2024 ho avy izao, ao amin’ny FJKM Montrouge Paris Fiorenana.

Mirary antsika samy hahatratra ny Paska Famonjena sy Fandresena taona 2024 avokoa eo ambany fitahian’ny Tompontsika.

Manao veloma finaritra amin’ny Anarany.

Ny Biraon’ny SP37
Ny Filoha: Ny Mpitandrina Raholiarisona Yves Aimé Richard
Ny Mpitantsoratra: Ny Mpitandrina Rasoavimbahoaka Fanjanavalona