Fiantsoana fivorian’ny Mpandray 23 oktobra 2022

Ny Biraompiangonana dia miantso ny Mpandray rehetra amin’ny fivoriam-be tsy ara-potoana izay ho tanterahintsika amin’ny alahady 23 oktobra 2022 izao.

Ny laha-dinika ho atolotra antsika dia momba ny tetik’asa Mpitandrina. Tongava maro ry havana satria zava-dehibe amin’ny fiainan’ny fiangonana izany laha-dinika izany.

Entano ihany koa ny mpiara-mivavaka amintsika ary fandrio amin’ny diary ny daty. Ny fanapahan-kevitra horaisina eo no atolotra ny Synodamparitany.

Mangataka antsika hitondra am-bavaka hatrany ny fiainan’ny fiangonana.

Amin’ny anaran’ny Biraompiangonana