Fiantsoana Fivorian’ny Mpandray – 22 Nov 2026

Ilazana isika Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rehetra ato amin’ny Fiangonana FJKM-Gland Fahasoavana, fa hisy ny Fivorian’ny Mpandray izay hatao ny:

  • Daty: Alahady 22 Novambra 2026
  • Ora: Aorian’ny fanompoam-pivavahana amin’ny 2 ora tolakandro
  • Toerana: Ao am-piangonana, Église adventiste de Gland, La Lignière 12, 1196 Gland

Ny Lahadinika dia izao manaraka izao:

  1. Handinihana sy fankatoavana ny Drafitra fanao isan-taona na Tetikandro (Plan Annuel) 2027.
  2. Handinihana sy fankatoavana ny Teti-bola (Budget) 2027.
  3. Lahadinika samihafa.

Noho ny lanjan’ireo hevitra sy ny hoavin’ny asan’Andriamanitra eto amin’ny Fiangonana mandritra ny taona vaovao, dia entanina isika rehetra mba ho tonga maro.

« Samy hanao araka izay niniany tao am-pony avy… » (2 Korintiana 9:7)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *