FANOKANANA NY FIANGONANA FJKM STUTTGART FAHAZAVANA

Isaorantsika Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara tamin’ny Asabotsy 21 May 2022 ny fanokanana ny Vondron’olona miara-mivavaka tao Stuttgart ho FIANGONANA FJKM STUTTGART FAHAZAVANA. Soratra Masina nandritra ny fanokanana ny hoe “HIANAREO NO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO” Matio 5: 14. Noraisin’ny Synodam-paritany feno ny fanatanterahana izany fanompom-pivavahana izany tamin’ny alalan’ny Mpitandrina RASOAVIMBAHOAKA Fanjanavalona, izay nitarika ny fotoana. Ny Mpitandrina RAHOLIARISON Yves kosa no nitondra ny Hafatra sy ny toriteny. Ny Mpitandrina rehetra tato amin’ny Synodam-paritany kosa no nivavaka sy namaky ny Soratra masina. Votoatin’ny Hafatry ny Tenin’Andriamanitra nentin’ny Filohan’ny Synodam-paritany tamin’izany raha tsorina dia izao manao hoe: Aoka hianareo ho fahazavana marina tokoa , ary ho fiangonana FJKM marina tokoa na amin’ny finoana , na amin’ny fiaina na amin’ny fanao sy fitantanana. Ny anisan’ny mampiavaka ity fiangonana vao niorina ity mantsy dia saiky tanora avokoa ny 90 isan-jaton’ny mpino ao aminy. Narahina fiaraha-misakafo sy fiaraha-mikorana ihany koa moa ny fotoana rehetra. 

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *